TRATRY NY TAONA DAHOLO (15/01/08)

Nampidirin'i dadarabe | 15 Jan, 2008

Miarahaba,

Dia miarahaba antsika mianakavy tratry izao taona vaovao izao na dia tara kely aza. Ho taona ampoky ny soa ho antsika anie ity taona ity !

Izao moa vao afaka manoratra indray fa nivadibadika tany Madagasikara iray volana sy tapany izay. Nahafinaritra ny fandalovana tany ary nahafaha-nahita zava-maro. Indrindra ny fianakaviana izay tsy hita matetika.

Andro fety moa iny volana desambra iny ka dia somebiseby daholo izao tontolo izao. Teo koa ny fifidianana ben'ny tanàna (efa be no niresaka). Be ihany koa ny azo lazaina fa aleo ho zokin'ny atsy aoriana.

Ny tena nisongadina tamin'ny fiainako manokana dia ny nahavoaray ahy hampianatra ao amin'ny faculté de médecine n'i Mahajanga. Voaray "Enseignant chercheur, maître de conférences des universités" ny tenako. (Isaorako ny Avo indrindra). Ny taranja "psychiatrie d'enfants et d'adolescents" (pédopsychiatrie) no ampianariko ao.

Izay no vaovao fa dia manoratra eto ihany fa mivangongo eto ny asa.

Samia ho tahian'Andriamanitra daholo.

DadaRabe
15/01/08


35 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "TRATRY NY TAONA DAHOLO (15/01/08)"

  1. Dia tena faly tokoa izahay namana mpiara-nianatra taloha maheno ny vaovao tsara hoe ho lasa Enseignant-Chercheur sy Maître de Conférence ao amin' ny Anjerimanontolon'i Mahajanga i DadaRabe.
    -
    Tena nitondra fanambinana ho anao mihitsy ity taom-baovao ity an.
    -
    Enga anie hitombo hatrany ny fahasoavana, ary ho tonga any amin' ny ambony indrindra ianao.
    -
    Ary rehefa manao fety arrosage kosa, dia aza hadino moa ny namana mpiara-mitendry guitara fahiny e. :-)

    Nampidirin'i lehilahytsyresy 17 Jan 2008, 06:03
  2. Lalaina> Mbola eto St Pierre aho izao. Rahafaka vola vitsivitsy aho vao hanao prise de fonction.
    Andraso fa handefa sary aho saingy miandry kely satria adinoko any Dago ireo sary rehetra.

    Misaotra an'i lehilahitsyresy. Raha vao misy hetsika dia antsoiko i lehilahytsyresy kah.
    Ny mpiara-mitendry gitara indray ve no ho adino ! Tsimbotry niaraka ihany é

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 17 Jan 2008, 12:48
  3. Arabaina zany zokibe lasa mpampianatra. Sady omena korazy ihany koa fa hampita fahalalana!
    Sady tena mila finiavana ny mampita fahaizana.

    Nampidirin'i tsiky 17 Jan 2008, 14:07
  4. Ary efa naheno tany ambadika tany aho ry Tsiky hoe "mpianatry DadaRabe" :-p
    Izay no nahalasa mpampianatra an'ilay ranamana angamba

    tsarà é!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 17 Jan 2008, 14:15
  5. Manantitra ny fiarahabana sy firarian-tsoa efa vita nivantana e !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 17 Jan 2008, 14:37
  6. Miarahaba an'i Tsikisariaka dia mirary taom-baovao sambatra sy feno zava-tsoa

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 17 Jan 2008, 17:42
  7. Arabaina tratry ny taona e ! Mirary soa sy fahombiazana. Arabaina koa @ fahasoavana azo izany. Dia mitsodrano anao hahatontonsa tsara ny adidy hoefaina.

    Nampidirin'i Pone 18 Jan 2008, 19:24
  8. Dia mirary soa Rabe an
    Fikambanan'ny Mpianatra tsy Mipetraka amin'ny Cite (1991)

    Nampidirin'i Zamanoro 19 Jan 2008, 01:31
  9. Arahabaina Pone à ! dia mirary anao koa ho ampoky ny soa sy ny tsara. MIsaotra amin'ny fiarahabana.

    Zamanoro> Mirary soa koa ho anao. Fikambanan'ny mpianatry tsy mipetraka amin'ny cité (1991). Efa ela tokoa izany nefa mametraka fahatsiarovana be. TAntara lavabe ireny 1991 ireny. Betsaka ny hetsika. Nisahotaka ny tany. Raha ny fahazoako azy dia mifankahafantatra isika ? Mahereza amin'ny rehetra é!

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 19 Jan 2008, 13:10
  10. Tena somary mifankahay tokoa isika fa aleo rehefa mifanena dia hanatareo eh Dia ho antsika rehetra ny fankaherezana fa misaotra indrindra. Dia mahavita be amin'ny fampianarana eh Nampidirin'i zamanoro 20 Jan 2008, 00:28
  11. Zamanoro> Rehefa mifanena ary é! saingy goavana ihany anie ity bolan-tany ity ka ny irariana dia ho avy ny fotoana hifanenana.
    ;-p

    DdRb

    Nampidirin'i dadarabe 20 Jan 2008, 15:22
  12. voalohan-teniko dia faly manolotra ny arahaba ny rehetra tratry ity taona vaovao ity, somary tara fa dia hialana tsiny fa tsy teto an-toerana.
    Faharoa dia felicitation hoan'ny akama DdRb fa tena vaovao lehibe sy mahafaly tokoa fa dia arrosage be zany e, mahereza hatrany.

    Nampidirin'i Malala 22 Jan 2008, 08:15
  13. Miarahaba an'i Malala. Dia mirary taona vaovao sambatra.
    Misaotra amin'ny felicitation.
    Nahafinaritra ny vakansy ?

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Jan 2008, 12:17
  14. Dia aleo hifankahita dia hita eo izay lazaina eh
    Fa tsara mandroso tsara miverina aloha amin'ilay dia atao eh

    Nampidirin'i zamanoro 23 Jan 2008, 03:30
  15. Ie, Tsy hahita lazaina foana ve rehefa eo marina.
    Misaotra amin'ny firariana Zamanoro ô !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 23 Jan 2008, 12:31
«Mialoha   1 2