NOELY MAHANTRA

Nampidirin'i dadarabe | 27 Nov, 2007


Efa akaikikaiky ny volana desambra ary efa manangasanga any ho any ny fetin'ny noely.
Mahatsiaro ireo ankizy. Misy ny manana ary mahazo kilalao. Misy kosa ireo tsy mahazo noho ny tsy fananana.  Mahatsiaro azy ireo.

DdRb

NOELY MAHANTRA

Aiza ianao ry neny tiako!
Maro be ireo faniriako
Amin’izao noely izao,
Manantena kilalao.

He! ny ankizy marobe,
Falifaly mihomehy,
Miramirana avokoa,
Fa nahazo zava-tsoa.

Nef’izaho ho’aho ry neny!
Tsy nomena toy ireny,
Ary rehefa manontany
Dia hihodinanao hatrany.

Fa ilay dadabenoely
Tsy mba hitako ry neny,
Fa ireo zaza hafa foana
No hizarany, fa nahoana ?

Nefa anie krismasy
Hono… tsy mba mialonjafy,
Nefa ‘izaho hadino hatrany,
Izaho ry neny hitomany!

DadaRabe
Baille
21/12/00  23 :11