ILAOZAKO NY ATY
Nampidirin'i dadarabe | 25 Nov, 2007
Handeha aho ka mametraka veloma aminao,
Tsy sitrako kanefa izany no efa anjara,
Satria ny lalantsika dia sampanana hatrizao,
Ka tsy ho asiana nenina fa vita toa tantara ;
Tantara fohy dia fohy,
Tantara tsy mitohy,
Niarahana nitondra
Rahona sy onja,
Tsy nasiana dina na fefy ho arofanina,
Fa samy mba nigoka ny mamy tiany hohanina.
Handeha aho nefa kosa tsy hametraka alahelo,
Tsy hitanisa avelo na aloky ny lasa,
Tsy hitodika ny omaly, tsy mba hamelovelo,
Na mbola hamerimberina ‘reo zavatra kinasa ;
Kinasa toa ho lava,
Kinasa nefa rava,
Ka verivery foana,
Natelin’ny fotoana,
Nanjavona hariva toa aloka nitoerana,
Nitsiaka toy ny rano, ka ritra tsy azo ferana.
Handeha aho sao ho difotry ny fotaka mandrevo
Mandady sy mirongatra, mandrakotra ny tena,
Hamatotra ny saina, hanindry, hanandevo,
Hamingana ny tongotra, handroba fandresena ;
Fandresena iriana,
Fandresena tiana,
Hiraraka am’tany,
Toa nofy fotsiny ihany,
Raha toa aho ka variana mifikitra tsy miala,
Mamono ny eritreritra, minia tsy mahalala.
Handeha aho satria fantatro, f’ianao koa efa dify,
Tandindona no sisa mba tazako anoloana,
Fanala sy ny zavona ary rahona manify,
Milaza f’efa nihelina sy niova ny fotoana ;
Fotoana nandalovana,
Fotoana fahatsiarovana,
Niarahana nidola,
Nisangy tsy ho tola,
Kanefa dia nikatona toa varavaram-by,
Mametraka veloma aho f’ilaozako ny aty.
Dadarabe
Marseille
7/07/00 22 :00
Rabe Andriamanarivo Paoly
za tena tsy mahay solfa raha tsy izany nalefako. tsy mandeha @ RVG angaha ?
hitan'i DdRb fa raitra ilay sary, ny fond, ny toerana, ny hazo nambolenao, ny avion, sy ilay tary mi-zesta! :-) Ny tena lafatra dia ilay soratra eo amin'ny tratran'ilay akanjo... hoe inona ?
Nampidirin'i Tsikisariaka 27 Nov 2007, 06:47Tena any amin'ny atlantika avaratra andrefana ry lehilahytsyresy à !Ilay volom-bava ? Miaro ny tenda amin'ny hatsiaka é! mihalava rehefa tena ririnina. ;p
Raha tsy mety solfa
ataovy mp3
ka kaloy eo am-bava
dia ho kanto ireo voalaza
Ilay sary ? ;-p
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 27 Nov 2007, 11:58Ary mety frizy be mihitsy angamba any Atlantika avaratra any amin' izao faran' ny taona izao an ?
Nampidirin'i lehilahytsyresy 27 Nov 2007, 12:30Ndao mba hifanakalo e. Dia izahay indray no mba ho any amin' ny Atlantika; ary ianareo kosa no mankaty amin'ny Pasifika e. Mety ve ?
;-)
ie, manomboka frizy ihany ry Lehilahitsyresy ! Izany hoe eo amin'ny -1°C sy 6°C izao ny t°.
Rehefa tonga ny tena ririnina dia midina any amin'ny -20°C ka mety ho hatrany amin'ny -40°C any ho any.
Tena satriko tokoa ho any amin'ny Pasifika any.
NIsy zavatra nanontanian'i Lehilahytsiresy ahy izay herin-taona na ora taona lasa angamba izay.
Mahita mety ho valiny aho. Raha tsy efa novaliako.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 27 Nov 2007, 13:31Miresaka toetrandro ianareo, hafa ihany ny eto Dago an ! ny aty amin'ny Indian ocean izany e !
Mbola tsy mahay mikirakira blaogy aho ry DdRb raha tsy izany efa naelfako MP3 a ! aleo ary mba sioripirizy dia rehefa sendra henonao dia lazao aho. Izay an !
Nampidirin'i Tsikisariaka 27 Nov 2007, 14:28tsara ny toetrandro eto Dago (afa-tsy ny rivo-doza).
Tairo ary ilay "sioriprizy" é!
Avy ny orana eto.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 27 Nov 2007, 15:30kay ve nareo ato mitsy n ef tena be santimaka be oatr izao e
Nampidirin'i zandrikely 13 Des 2007, 10:13