VAZAHA BOBO
Nampidirin'i dadarabe | 22 Nov, 2007
Tao Betongolo
Indray hariva izay,
Nisy vazaha bobo…
Nampivanaka ahy.
Tsy izy bobo akory,
No tena hafakely,
Fa ny olona nivory,
Nazoto be nijery.
Fa inona ary izao ?
No dia manaitr’ery !
F’angaha io kilalao ?
No hitangoronan-dry ?
Dia nanontany aho
Fa ts’hitako ny marina,
Mba inon’izy izao ?
Moa azo mba fantarina ?
Dray ! dray ! haf’ity !
Tena zendan’aho !
Hatram’izaho tety…
Vaovao ‘ty ka vaovao !
Tsy izy bobo kay !
No nahalasa saina…
Fa loz’ity ry lahy !
…Tsy sahiko lazaina !!!
DadaRabe
Marseille
19/07/02 23 :32
Dia mihodina manaraka an'iny koa ny zava-drehetra... hatramin'ny resaka ato amin'ny vazaha bobo.
Nampidirin'i Tsikisariaka 03 Des 2007, 15:35niandry ihany aho hoe inona ry izy zany
Nampidirin'i zandrikely 13 Des 2007, 10:26impatiente be kay enao ts niteny hihihi