RY NDREMATOA !

Nampidirin'i dadarabe | 5 Nov, 2007


Mitsingerina androany ny nahaterahanao,
Taona maro izany !
Miverina ao an-tsaiko daholo ireny izao,
Toy ny vao omaly !
Ianao ry lahimatoa !
Ianao ry ndrematoa !
Izahay sy neny dia niandry, nitaintaina,
Dia iny tonga ianao…finaritra ny saina !

Dia nihalehibe ianao, nitety tany isika,
Natopan’ireo onja,
Nivezivezy teny, niharitra ny hatsiaka
Sy entana mafonja,
Ianao nijoro foana !
Ianao nitombo taona !
Dia niezaka ianao, nianatra ‘ty fiainana !
Tsy hitahita teny, nampihitatra fisainana !

Andro fifaliana izao andro anio izao,
Androm-boninkazo !
Sikino ny finoana na lavitra aza aho…
Rakofy vazovazo !
Fa tsy ho ela akory,
Fa tsy ho ela intsony,
Hifankahita isika hiatrika ny ampitso,
Hizara mofomamy, manento hanim-pito.

Andriamanitro ô! Ry Raiko avo indrindra !
Iny zanako iny !
Arovinao hatrany, ny fiainany hirindra,
Tsy holalovan-tsiny,
Fa hino foana Anao,
Fa hino, tsy handao…
Ary Ianao hatrany no hanolotra ny anjarany…
…Tsingerina androany ny andro nahaterahany !

DadaRabe