TENA VARA-DATSAKA !

Nampidirin'i dadarabe | 19 Okt, 2007

Tena vara-datsaka !
Iny fa mifoha ilay fitiavako anao…
Afo joala miakatra !
No hitako manenika izao tontolo izao,
Mafana be anaty !
Mafana tsy ho tanty !

Dia tena mihorohoro,
Mangovi-pahasambarana, miaro fifaliana,
Ny anatiko tontolo…
Mientana ny aiko, mihira fihobiana,
Fa tojo izay niriana,
Fa tojo anao ilay tiana.

Asa ! Angamba nofy ?
Tsy haiko tantaraina fa toy ireny angano…
Mateza tsy marofy,
Tsentsefina tsy lany fa mbola mamy hatrany…
Fa eny an-drahon’eny !
Fa eny an-danitr’eny !

Tena zavatra hafa !
Angamba izany akia no atao hoe paradisa !
Tsy voalaza an-tafa,
Volana baliaka sy kintana alin-kisa,
Tiako hitohy akia !
Tiako akia indry !

Tena vara-datsaka !

DadaRabe
St Pierre et Miquelon
19/10/07   11 :29