MIFANKATIAVA IHANY !

Nampidirin'i dadarabe | 20 Mar, 2009




Mifankatiava ihany
Raha mbola velona aina
Tsy misy toy izany ny mampifaly saina
Ny maty efa lasa
Tsy azontsika antsoina
Isika no mikasa
Ny ratsy hadinoina re
Ny maty efa lasa
Tsy azontsika antsoina
Isika no mikasa
Ny ratsy hadinoina
 (tohiny)

IZA NO TIANAREO 2 SA 8 ?

Nampidirin'i dadarabe | 17 Mar, 2009

Iza no tianareo 2 sa 8 ? Hoy ilay zanako vavy 6 taona.

Tsy hanontany anareo aho hoe iza no tianareo 2 sa 8 fa dia anareo no mamaly any an-tsaina.

DadaRabe

 

VILAM-BAVA !

Nampidirin'i dadarabe | 14 Mar, 2009




‘Ndeha hitady rariny sy koa mangarahara !
Inona no lalana ? Mangalatra pouvoir !
‘Ndeha isika hanohitra ny didin’olon-tokana !
Inona no lalana ? Mandroba sy mitokona !

‘Ndeha hitondra marina ny tena fahafahana !
Inona no atao ? Asivo fangalarana !
‘Ndeha isika hilaza ny marina an-gazety !
Inona no atao ? Darohy ireo izay tsy mety !

‘Ndeha hahindrahindra ilay demôsy kirasia !
Ahoana no atao ? Poteho ‘reo ‘zay tsy tia !
‘Ndeha mba hampandroso ny tanindrazantsika
Ahoana no atao ? Vonoy izay tsara bika !

Hoy ho hoe :

‘Ndeha manova fenitra fa tena vilam-bava !
Fa mila fifidianana vao miakatra pouvoir !

DadaRabe
12/02/09

NY FIALONANA, FANKAHALANA, FITSIRIRITANA

Nampidirin'i dadarabe | 6 Mar, 2009

Na inona na inona ataontsika, na aiza na aiza misy antsika, na inona na inona firehantsika : Ny fialonana, ny fankahalana, ny fitsiriritana dia loza mitatao !

DadaRabe



NY FIALONANA, FANKAHALANA, FITSIRIRITANA

Ny fo feno fialonana
Ary tsy mahay mionona,
Eny !  Manantena foana
Ny an’ny hafa eo anoloana…
Dia toy ireny harafesina mandavaka ny vy,
Mahatonga fahalovana, mandrotika ny tsihy

 (tohiny)

DEMOKRASIA HAFAKELY

Nampidirin'i dadarabe | 3 Mar, 2009




Handrodana satria…
Mamy ery ny seza !
Ka lendalenda erỳ !
Fa may ny  te ho ngeza !

Handrodana hatrany !
Matsiro be ny saosy !
Hangarona vilany !
Hameno ny sakaosy !

Hianjera izay hianjera !
Ho rava izay ho rava !
Fa izy mila afera,
Fa izy mila drala !

Ampio aho rey vahoaka !
Fa mila tosi-tanana !
Vonjeo aho rey vahoaka !
Fa sao dia tapa-tanana !”

Handrodana aho vahoak’ô !”
………………………………
Kanefa hatram’izay,
Ny hany mba napoaka ?
…Tsy misy na dia iray !

DadaRabe