Tsara be ilay soso-kevitr'i Lap izay efa nolazain'Ikalamako koa

Nampidirin'i dadarabe | 28 Mar, 2008

miarahaba,

Somary be erehina be aho io fa miverina eo ihany.

Mahafinaritra be ireo soso-kevitra momba ny teny malagasy. "Aza ampijaliana" hoy ireo namana.

Miverina eo ihany aho fa mbola hazakazaka be.

Manantena antsika rehetra satria ny asa vadi-drano tsy vita tsy hifanakonana !

Vetivety monja !

DadaRabe

AKAIKIKAIKY PASKA ‘TY ANDRO

Nampidirin'i dadarabe | 21 Mar, 2008

Akaikikaiky paska ‘lay andro,
Voairaka  teo Petera Sy Rajaona,
‘Ndana malaky anie 'nareo mahandro !
Mofo mba hohanintsika f’efa noana !

Nipetraka mba hihinana zareo,
Io fa nandray kapoaka koa ny Tompo,
Ary niteny farimparim-peo,
Rako io ka ndao malaky mba hisotro !
 (tohiny)

Tantaran'i ZAKILININA SY DIDINTSOKINA

Nampidirin'i dadarabe | 19 Mar, 2008
Miarahaba,

HO tohin'ny tantara dia nisy koa ireo namana hafa toa an-dry Zakilinina, Didintsokina, Ketamanga, Lezo, sns.

ZAKILININA SY DIDINTSOKINA

Zakilinina sy Didintsokina:
Ny iray matavy, ny iray bebokona,
Tratra nitsindroka voamadilo,
Voasazy nipetraka tam’tsilo!
 (tohiny)

ALINA RIRININA (Tempête de neige eto St Pierre)

Nampidirin'i dadarabe | 18 Mar, 2008


Tempête de neige manadala eto St Pierre amin'izao ora anoratako izao (0:04). Naka sary kely aho teo saingy tsy afa-mivoaka any ivelany fa dia teo am-baravaran-kely ihany.

 

DdRb

ALINA RIRININA (Tempête de neige eto St Pierre)

Tanatin’iny alina sy rivotra mifofo,
Niainako ny irery,
Vovo-dranomandry mifafy tora-jofo,
Mandrakotra an-kery
Ny voahary manontolo…
…Jenjin-korohoro.
 (tohiny)

I KOTO SY I KETAKA (Tao an-tsekoly)

Nampidirin'i dadarabe | 17 Mar, 2008

Miarahaba,

Betsaka moa ireo namana tany an-tsekoly. Isan'izany ary Koto, Ketaka, Bozy, Zakilinina, sns. SAmy manana ny tantarany daholo izy ireny ary samy manana ny nofinofiny. Koto sy Ketaka dia isan'ireny tao an-tsekoly.

I KOTO SY I KETAKA (Tao an-tsekoly)

- Haninona ry Koto ianao rehefa lehibe ?
Minisitra no ataoko, be vol’io ramosé !
- Ary ianao ry Ketaka, mba inona no ho atao ?
Ho vadi-na minisitra no tena tiako izao !
 (tohiny)

IANAREO TELOVAVY

Nampidirin'i dadarabe | 13 Mar, 2008


IZA NO TIAKO ?

Iza no tiako ‘nareo telovavy ?
Ny eo afovoany fa matavitavy !
Iza no manja sy mahafatifaty ?
‘Zay be takolaka no iriako mafy !
 (tohiny)

IZA MOA I DADARABE ?

Nampidirin'i dadarabe | 11 Mar, 2008


RABE Andriamanarivo Paoly

Nahoana no DadaRabe ?

IZAHO (DdRb) sy IANAREO (namana)

CV DadaRabe

IZY INDRAY ANTSOINA !

Nampidirin'i dadarabe | 10 Mar, 2008

Izy indray antsoina...

...Raha hitanao fa izy no afaka hampitony
Ny fahanginanao,
...Raha toa efa izy no felana mamony
Sy fahasambaranao.

...Raha tsapanao fa any no volana baliaka
Mazava sy manjelatra,
Ka afaka ampihiratra ny endrikao sariaka,
Hiakaranao ny sehatra.

 (tohiny)

SARY RIRININA St Pierre et Miquelon 2007-2008

Nampidirin'i dadarabe | 10 Mar, 2008

Miarahaba,

Rohy mankany amin'ireo sary rehetra.

Indreto misy sary vitsivitsy maneho ny ririnina eto St Pierre. Tsy mbola vita akory ny ririnina fa na dia izany aza efa mba azoazo kokoa izao.

DadaRabe (tohiny)

MIARAHABA NY ANDRIAMBAVILANITRA

Nampidirin'i dadarabe | 8 Mar, 2008


Dia miarahaba ny ANDRIAMBAVILANITRA rehetra amin'izao 8 mars izao. MIrary anareo hahita ny soa sy ny meva amin'izao fiainana izao.

DadaRabe

Ity misy hirahiran'i LOLA : "NY VEHIVAVY" ho zaraina amintsika. (tohiny)

IZAHO TSY NIOVA AKORY…

Nampidirin'i dadarabe | 5 Mar, 2008


Izaho tsy niova akory fa toy ilay fantatrao
Fotoana maro izay…..ny ora no nandao,
Ny andro no nisolo, ny endrika no niova
Nodiavin’ireo taona, narirariran’onja.

Izaho tsy niova akory fa mbola adaladala,
Vao mahita anao dia tsy mba mety miala
Fa mbola dobodoboka ny foko faly erỳ !
Toy ireny vanton-jaza vao mianatra fitia.
 (tohiny)

ILAY AMPITSO

Nampidirin'i dadarabe | 3 Mar, 2008


Manofy ilay ampitso mamerovero fatratra,
Manofy lendalenda, diavolana tomaratra,
Manofy taona zina sy fararanom-bokatra,
Manofy tojo tanjona, tafakatra ny tohatra,

Manofy fahasambarana, fotoana paradisa,
Manofy fisantarana ny mamy tsy hita isa,
Manofy lohataona ravaham-boninkazo,
Manofy andro miratra ventesim-bazovazo,
 (tohiny)